Other News

Pasteur Mailhol : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Efa nambarako tamin’ny radio sy televiziona maro, ta­min’ny volana janoary: koron­tana politika be no hitranga maneran-tany. Anisan’izany ny eto Madagasikara. Koa raha mandeha ny korontana politika, tsy misy fifidianana azo atao”, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Gideona fandresena ny fahantrana eto Madagasikara (GFFM), ny pasitera Mailhol André Chris­tian Dieu […]

Loholona Ramanambintana Richard: “Aoka hajanona ny fanelingelenana fifidianana”

“Hiatrika fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2023, faritan’ny lalàmpanorenana isika. Koa aoka hajanona ny fanelingelenana sy ny fanakantsakanana rehetra tsy ha­hatanteraka izany fifidianana izany”, hoy, ny filohan’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi) sady loholona, Ramanambin­tana Richard, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sa­sany amin’izany. Mba hitondra fitoniana ho an’ny rehetra […]

Miadana Fabien Privat: “Mitarika andraikitra ny tsy fahatokisana ny Ceni”

Hatramin’izao, misy hatrany ny tsy manaiky na tsy matoky ny fikarakaran’ny Ceni ny fifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy hoe tenenina fotsiny ny tsy fahatokisana, fa mitarika andraikitra.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao […]

Sokaf’hehy : mitohy ny fitrandrahana talenta vaovao

Tontosa, omaly, teny amin’ny Cercle -Germano Mala­ga­sy (CGM) Analakely, ny hetsika “Sokaf’hehy”. Fampi­sehoana hatsikana karakarain’ny Sandix, miaraka amin’ireo mpanao hatsikana, karazany Stand up. Manomboka fantatry ny olona ny karazana hatsikana Stand Up, ary mihamaro ny mpankafy sy mandray anjara amin’ny hetsika sahala amin’itony. Ity hetsika ity izay maimaimpoana tanteraka ary […]

Hira sy ny tontolony: hikopak’elatra i Rosemonde Diana

Tapaka ny heviny fa hanatevin-daharana ny mpanakanto malagasy! Rosemonde Dia­na, zanak’i Rosemonde “Kaiam­ba” (mihira sady mi­tendry). Rose­monde Diana, nanovo traikefa lehibe tany anivon’ny antoko mpihira. Ankoatra ny fananany feomanga sy matanjaka mahatakatra ny avo sy afaka midina ambany indrindra, manan-talenta sy nandalina ny sehatry ny fitendrena vatamaroafitsoka sy ny famoronana […]