Other News

Fampiroboroboana ny jono: hamafisina ny paikady sy ny lafiny teknika

Miainga avy any ifotony miaraka amin’ireo pitsopitsony samihafa izay handraisan’ny rehetra anjara ny fampandrosoana ny jono eto Madagasikara. Misy ny paikady manokana dinihina hana­tsarana izany. Fananana paikady mirindra izay handraisan’ny rehetra anjara hanatsarana ny jono eto Madagasikara. Io no tanjona napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, mandritra ny […]

Basikety – «  Mibala Tournament » : nisongadina ny fandresen’ny DEGS Ankatso

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Palais de Sport sy ny Gymnase couvert Mahamasina ny andro fahatelo, fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, ho an’ ny mpianatry ny Oniversite eto amintsika. Naneho ny mahasangany azy ny DEGS Ankatso. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 96 no ho 34, ny Iscam. Fifanandrinana natao tao amin’ny […]

JIOI 2023 : fantatra ny mpanazatra hitondra ny Barea

Rakotondrabe Romuald Felix, voafidy hitondra indray ny Barea mandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teny Isoraka, omaly, i Theodore Béatrice no hanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy amin’io JIOI 2023 […]

Rugby vehivavy – «Sevens Challenger Series»: hidona voalohany amin’ny Makis i Mexique

Hitodika atsy Afrika Atsimo avokoa ny mason’ny rehetra, rahampitso alakamisy, hiatrika ny fiadiana ny “sevens challenger series”, taranja rugby ho an’ny sokajy vehivavy. Anisan’ireo ekipa hiady izany amboara izany, ny Makis Ladies de Madagascar. Hanomboka rahampitso alakamisy 20 ka hatramin’ny sabotsy 22 avrily, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Sevens […]