“Rehefa mipetraka ny fitondram-panjakana iray, anisan’ny andraikitra lehibe ny fampandriana fahalemana ny tany amin’ny lafiny rehetra. Tsy voatery ho asan-dahalo ihany izay fandriampahalemana izay. Eo amin’ny lafiny rehetra izany, adidy goavana iantsorohan’ny fitondram-panjakana”, hoy ny loholona Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, manoloana ny filazana fa fihemoran’ny demokrasia ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana, […]
Other News
Fanakantsakanana tetsy Amboditsiry: tsy faly amin’ny Freedom sasany Raholdina Naivo
Mbola resaka akanjo sy loko politika hatrany. Naneho ny tsy fahafaliany, manoloana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny antoko Freedom ny depiote Raholdina Naivo, omaly. Tezitra mafy ity solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy ity, ny amin’ny ambarany fa fanilikilihana ny mpikambana TGV, miakanjo vonimboasary, miaraka aminy tamin’ny fitokanana ny Mozea Rainilaiarivony. Nambarany fa […]
Fanahiana adim-poko : miantso fandaminana ny depiote
“Aoka isika vahoaka mba ho tony ary tsy hitebiteby. Satria raha tsy mitandrina isika na raha tsy voafehy ny hambompontsika, mety hiteraka loza ho an’ny tanàn’i Sakaraha. Tsy mendrika an’izany ny raiamandreny ao Sakaraha”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, momba ny zava-nitranga tao an-tanàna Andasy, ny […]
Ravalitera Jacques Michaël : “Torio ny Ceni raha mandika lalàna”
Nitondra fanazavana manoloana ny tsikera mivaivay mahazo azy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nahabe resaka tato ho ato. “Azo sazina ny Ceni raha mandika lalàna, fa tsy resahina fotsiny hoe tsy mety ny ataony. Tsy midika fankahalana izany, fa mifampiresaka sy mifampitaiza. Torio […]
Halatra volam-bahoaka : 400 tapitrisa Ar nanjavona tao amin’ny “Trésorerie”
Hatramin’ny omaly hariva, atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ireo olona fito mpiasa ao amin’ny “Trésorerie Principale” Ambalavao. Voasaringotra amin’ny raharaha nahavery ny vola 400 tapitrisa Ar izy ireo. Ny alatsinainy teo, voamarin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana fa tsy hita tao amin’ny fitoeram-bola io vola mitetina 400 tapitrisa Ar […]






