Hampiakatra indray ny tahan’ny mpizahatany sy hampiroborobo ity sehatra ity. Io ny tanjona hapetraka mandritra ny hetsika “International tourism fair Madagascar”, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Manana vina ny hampiakatra ny isan’ny mpizahatany, toy ny mialohan’ny taona 2019. Io no tanjona napetraky ny Office national du […]
Other News
Taranja Surf : Malagasy roa hiofana any Dakar
Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao. Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena […]
Oniversite Ankatso: haverina ny hetsika ara-kolontsaina
Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’Ankatso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo […]
A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »
«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny […]
Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra
Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotanterahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Malagasy/Goethe-Zentrum, tohatohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, […]






