Other News

Mahajanga: Vatosoa 185,5 kg saika haondrana an-tsokosoko

Manamafy ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS) fa tsy azo ekena sy leferina ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Tratra ny zoma 7 avrily teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny vatosoa sarobidy (pierres gemmes), milanja 185,600 kilao. Anisan’ny fepetra norai­sin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, […]

Tale jeneralin’ny fadintseranana : “Voafehin’ny lalàna ny fahazoan-dalana manondrana vato sarobidy”

Hanomboka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Nosy. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, omaly, fa misy ny lalàna ao amin’ny tetibola mikasika ny fahazoan-dalana manao izany. «Voafehin’ny lalàna ao amin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny mikasika ny fahazahoan-dalana (droit de sortie) izay alaina amin’ireo fanondranana vatosoa eto amintsika», hoy ny tale jeneralin’ny […]

Very fototra : tsy mijery ny taloha ny ankehitriny

Anisan’ny mampatanjaka ny kolontsaina vahiny ny fananana ireo nialoha lalana. Tsy very ny napetrak’izy ire­ny fa voatahiry. Eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, mbola afaka tendrena sy hirain’ny taranaka aty aoriana ny « Aleluya » sanganasan’i Hae­del efa voaforona anjato taona. Ny an’ny Malagasy kosa, izay kely fantatra sy voatahiry, ovaina. Na ny […]

AFT Andavamamba: miavaka kely ny tanjon’ny fampirantiana

Niala kely tamin’ny mahazatra ny mpikarakara ity fampirantiana ity. Na eo aza anefa izany, misy hatrany ny fampirantiana zavakanto nataon’ny mpahaikanto samihafa. Natokana ho an’ny mpianatra manokana kosa ity fampirantiana ity hampahafantarana sy hanentanana azy ireo. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 28 avrily 2023, […]

IFM Analakely : hampiranty ny “Ho nofy ihany” i Mahefa Dimbiniaina

Anjaran’ny mpahaikanto, indrindra ny Malagasy mpaka sary, indray no mianoka ny kanto raketin’ny tetikasa “Ho nofy ihany” an’i Mahefa Dimbiniaina. Vonona tanteraka ny mpikarakara rehetra ny amin’ny fampirantiana, izay misokatra ho an’ny rehetra anio. Hotanterahina manomboka anio ary tsy hi­farana raha tsy ny 27 mey 2023 ny fampirantiana ataon’i Mahefa […]