Other News

Kolikoly !

Tsy misy sehatra iray ka tsy ahitana na andrenesana kolikoly amin’izao fotoana izao. Tena manafotra ilay fiarahamonina ny zava-misy. Very hasina tanteraka ny maha olombelona. Tsy miteny rehefa tsy vola. Ny endrika ivelany sy fisehosehoana no zary maridrefy ilazana fa « izany ka tena olombelona ». Tsy misy lanja intsony ny fanahy […]

Natelin’ny rano: niara-maty izy mianaka

Nampahonena ny nanjo ireto mpianaka. Niara-maty an-drano, rehefa namonjy fodiana. Avy namangy fianakaviana tamin’ny andro fety izy ireo. Niara-maty an-drano ny reniny sy ny zanany vavy, afakomaly. Tao amin’ny renirano Antaran­dran­drosiana, anatin’ny kaominina Itremo, distrikan’Am­batofinadrahana no nisehoan’ izany. Niala tao an-tranony tamin’ny 6 avrily, hamangy ny ray aman-dreniny amin’ny tanàna […]

Hetsika « Kobay » : miaramila iray maty voatifitra

Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Soaserana, fokontany Tsin­jorano, kaominina ambanivo­hitr’Ambia, distrikan’i Maha­bo, ny sabotsy 9 avrily 2023 teo, ny miaramila kilasy faharoa Randriamaherisoa. Nana­tanteraka hetsika “Kobay” ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Moron­dava ka nisy ny fifandonana nahery vaika tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sesilany tamin’iny […]

Lalana Rocade: tratra ireo andian-jatovo mpanendaka sy mpively “bois rond”

Ditra sa asan-jiolahy tsotr’ izao? Tsy ny any Toamasina ihany fa manao ny ataony koa ny andian-jatovo mahery setra eto an-drenivohitra. Nana­mafy ny fisafoana fanaony eny amin’ny lalana Rocade ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8) taorian’ny tranga tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria andian-jatovo […]

Vavatenina : mpivarotra menaka jirofo sandoka voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nivarotra menaka jirofo sandoka tao Nosibe, kaominina Maromitety-Vavatenina, ny andron’ny Paska teo. Nanam­baka olona maro tamin’ny alalan’ny fisandohana ity lehilahy voasambotra ity. Niva­rotra io karazana menaka io izy. Lazainy tamin’izany fa menaka jirofo tena izy ireto amidiny ireto. Efa fanaony, araka izany, ny […]