Other News

Fandaharanasa Fihariana: miisa 100 ny tetikasa tohanana tato anatin’ny 3 volana

Isan’ny fandaharanasa manohana ara-bola sy ara-teknika ny malagasy mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Fihariana. Isan’ny omena lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha, indrindra ireo manana zava-baovao sy miantraika amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Isan’ny ataony laharam- pahamehana ny vehivavy mpandraharaha. […]

Basikety-Amboaran’i Frantsa : tafakatra famaranana ny ekipan’i Marion Fitia

Mpilalao teratany ma­lagasy, mila ravinahitra ao Fran­tsa, Rasolofoson Marion Fitia. Ao amin’ny ekipan’ny Flam­mes Carolo izy no milalao. Ekipa anisan’ny sangany ao Frantsa ity ekipa misy an’i Marion ity. Miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Frantsa, taranja basikety, i Marion sy ny ekipany amin’izao fotoana izao ary tafakatra famaranana izy ireo. Ny […]

Kitra – Atsimondrano Champions League : Ekipa 78 hiady lelavola 4 tapitrisa Ar

Taorian’ny fahombi­azan’ ny andiany voalohany Atsi­mondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra, hiditra amin’ny faharoa indray ny fifaninanana, karakarain’ny Atsi­mon­drano Action Sport sy ny solombavambahoaka, Ra­tsivahiny Andry. Nam­paha­fantarina omaly zoma, tetsy Mahamasina, izany. Tsy miova ny loka hozaraina fa hitentina 10 tapitrisa Ar ihany. 78 ireo ekipa hiady ny 4 […]

Rugby – XXL Top 20 : hidona i Manjakaray sy Ankady

Hiditra amin’ny andro fa­hatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasika­ra, taranja rugby XXL Top 20. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ra­hampitso alahady 2 avrily. Miisa 4 ireo fihaonana voalahatra amin’izany. Anisan’ ireo donabe andrasan’ny re­hetra ny fifanandrinan’ny USA Ankadi­fotsy sy ny FTM Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa […]

Kitra: lasa mpanazatran’ny Club M Maurice, Rasoanaivo Fidy

Notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA) hitondra ny ekipam-pireneny (Club M) Rasoanaivo Fidy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy teknisianina malagasy hanazatra ekipam-pirenena vahiny. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy Malagasy hitondra ekipam-pirenena vahiny. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, nivoaka omaly zoma, notendren’ny […]