Fetim-pirenena Frantsay : Manamafy ny fifamatorana i Madagasikara sy i Frantsa

Nirodorodo niara-nifety teny Ivandry ny governemanta malagasy sy ny frantsay ary ireo masoivoho vahiny maro eto Madagasikara, omaly. Nasehon’ny mpitondra fa mbola loha laharana amin’ny mpiara-miasa i Frantsa.

Notanterahina teny amin’ ny trano fonenan’ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto amintsika ny fankalazana ny 14 jolay, omaly. Tonga marobe teny an-toerana ny mpikambana ao amin’ny governemanta, tari­hin’­ny Praiminisitra, Rajaona­rison Mamitiana. Nanotrona azy ireo ny filohan’ny Anteni­mie­rampirenena sy ny solombavambahoaka vitsivitsy. Na­nome voninahitra ny fotoana ihany koa ny lehiben’ny masoivoho vahiny miasa eto Mada­gasikara.
Nitondra ny teny avy amin’­ ny fitondrana malagasy, nisolo tena ny filohan’ny Fana­vao­zana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny minisitry ny Folo­alindahy, ny Jly Razafi­tombo Maminirina Ely. Nilaza tamin’ny lahateny izay natao izy fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta. Mbola mijanona ho loha lisitra amin’ny mpiara-miombon’antoka i Frantsa ho an’i Mada­gasikara. Notsiahiviny avokoa ireo sehatra hifanto­han’­ny fifamatoran’ny tany roa tonta toy ny fambolena, fampianarana, fahasalamana, filaminana, sns. Tsy adinony ny niarahaba ny vahoaka frantsay. Notsia­hiviny ihany koa fa vavolombelon’ny fifankatiavan’ny tany roa tonta ny fitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron, ny taona 2025, teto Madagasi­kara, an­daniny. Ny fivahinianan’ny Filohan’ny Fanavaozana tany Frantsa, tamin’ity taona 2026 ity, ankilany.

Marolafy
Ho an-dry zareo frantsay dia niompana tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa marolafy ny kabarin’ny ambasadaoro Arnaud Guillois. Nohamafisiny ny toerana misy ny fireneny sy ny Vondrona eoropeanina eo amin’ny fanohanana an’i Madagasikara. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka azo antoka, tsy miovaova, ary mandala ny mangaraharaha izy ireo. Notsiahiviny avokoa ny sehatra sy ny mpiara-miobon’antoka miasa eto Mada­gasikara.

Nidoka
Tsy adinon’ity ambasadaoro ity ny nidera ny ezaka vitan’i Madagasikara taorian’ny hetsiky ny tanora tamin’ny taon-dasa. Navoitrany, tamin’izany, ny mahakasika ny fahafahana miteny sy maneho hevitra. Torak’izany koa ny finiavan’ny mpitondra amin’ny fitadiavam-bahaolana anatin’ny ara-dalàna. « Maniry tokoa izahay ny mba hahafahan’ity fitondrana ity mametraka ny arofanina sy ny zotra mitondra mankany amin’ny fikarakarana fifidianana madio sy mangaraharaha ary ankatoavin’ny rehetra », hoy hatrany izy. Manentana ny Malagasy kosa ity diplaomaty frantsay ity mba tsy hivoy fankahalana sy fifanavakavahana amin’ny teny izay atao.
Marihina fa hanadao an’i Madagasikara tsy ho ela ny ambasadaoro, Arnaud Gui­llois. Lahateny farany nataony teto Madagasikara, iny omaly iny.

Riana Raymond

Partager sur: