Nanaovan’ireo jiolahy tambabe ilay raim-pianakaviana tompona Cash point eny Soamanandrariny. Maty voatifitra izy no mbola lasan’ireo tsy mataho-tody koa ny vola 21 tapitrisa Ar tao anatin’ny kitapony. Nirefodrefotra ny basy teny Soamanandrariny ny talata maraina teo. Lasibatry ny asan-jiolahy ny lehilahy iray manodidina ny 67 taona, tompona Cash point eny […]
Other News
Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny
Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra inefatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. […]
Mananara Avaratra : jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Niharan’ny fitsaram-bahoaka, naratra mafy ny lehilahy iray. Nahatraran’ny fokonolona entana halatra tao Analanjahana, fokontanin’ Androkaroka, kaominina Mananara, afakomaly maraina. Nangalatra tao amin’io fokontany io izy. Raikitra ny fanenjehana fokonolona ka tsy afa-bela ilay olon-dratsy. Lavo tamin’ny tany, raikitra ny fikasihan-tanana sy ny daroka. Nanampy trotraka ny hatezeran’ny fokonolona izay efa […]
Fikambanana liandra ao Toamasina : 20 lahy nidoboka am-ponja vonjimaika
Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo zatovo miisa 20 voasaringotra tamina raharaha fampihorohoroana tao Toamasina, ny talata 28 marsa teo. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alakamisy 16 marsa, voalaza ho mitondra “bois rond” ary mampitahotra ireo sendra azy sy midaroka mihitsy ireto andian-jatovo ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina sady […]
Toamasina : 3 hetsy Ar ny hofan’ny basy ampiasain’ny jiolahy
Ny talata 28 marsa lasa teo tao Salazamay Atsimo Toamasina, ramatoa iray nitondra moto hanatitra ny zanany hianatra no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana. Nijanona hividy zavatra tamina toeram-pivarotana iray no norahonan’ireo olon-dratsy ny basy mba hanome ilay moto sy ny finday any aminy. Voatery nampidina an-janany teo ambony moto […]






