Other News

Fijoroan’ny federasion’ny mpanao gazety : “Ahina ho politika ny raharaha Lola Rasoamaharo”

Nijoro, omaly, ny Federa­siona iraisan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, manoloana ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny filoha tale jeneralin’ny La Gazette de La Grande île, i Lola Rasoama­haro. Naneho ny ahiahiny izy ireo ary nanameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. “Manahy izahay fa misy […]

Ratsietison Jean-Jacques : “Mila tsirihina ny 145 miliara Ar hanaovana fifidianana”

“Be loatra ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana, ka mila hanaovana fitsirihana. Na omena 1 tapitrisa Ar aza aho, vitako ny fanisana mpifidy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy ho an’ny Malagasy (FMI-Malagasy), Ratsietison Jean-Jacques, momba ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana. Ny rejisitry ny mponina eny amin’ny fokontany tsirairay […]

Fakan-kevitry ny Ceni : hotohizana ny dinika

“Tapaka fa tsara ny hitohizan’ny dinika, satria nahitana ny firaisam-po sy ny firaisankinan’ny samy Malagasy. Tena nivoitra izay nandritra ny fihaonana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny dinika fakan-kevitra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana izay nanasana ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Nahafaly […]

Fitantanan-draharaham-panjakana – Toamasina : nolavin’ny fitsarana ny naoty navoakan’ny Prefet

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tontolon’ny fitsarana niarahan’ny mpitsara sy ny vadintany ary ny mpisolovava teto Toamasina, ny herinandro teo. Voaresaka ny momba ny naoty navoakan’ny Prefet any an-toerana. Nitarika izany tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ny tonia ambony mpisolo toerana, Ratianarivo Eliasy Edmisy . “Tsy afaka ny hangina izahay manoloana […]

Fivorian’ny filankevitry ny CUA : nitatitra ny zava-bita ny ben’ny Tanàna, A. Naina

Nitatitra ny ezaka vita ta­min’ny taona lasa ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny fivorian’ny filankevitra monisipaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna. Anisan’izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, toy ny tsena Anosy, Coum 67 ha, Behori­rika, Zaimaika. Eo koa ny fampidirana ny mpivarotra ao amin’ny sehatra ara-dalàna ka mihoatra ny 20 000 ireo […]