Other News

Kilalao sadasada

Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny vaovao momba ny Barean’i Madagasikara. Nitatitra ny gazety Taratra fa misy olana goavana ny resa-bola ka nampiatoana ny fampivondronana tokony ho nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tsy nanda na nandiso ny vaovao ny tomponandraikitra tamin’ny Federasiaona malagasin’ny taranja baolina kitra (FMF). Ny nahavariana, ny teo […]

Ady amin’ny « Kidnapping »: “Olona sahy sy vonona no ilaina”, hoy ny Praiministra

Nanatanteraka fivoriana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ireo tomponandraikitra ambony rehetra misahana ny fandriampahalemana eto amintsika na ny OMC Nasionaly. Hofongorina tanteraka ny tsy fandriampahalemana, amin’ireo faritra ireo, indrindra ny fakana an-keriny. Nodinihina manokana tamin’izany ny momba ny paikady hiadiana amin’ny fakana an-keriny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany manokana […]

Betania Morondava : taolam-paty 66 hita tao anaty valan’osy

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Morondava ireo olona efatra avy namaky fasana tao amin’ny fokontany Betania Morondava, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fi­si­an’ireto efa-dahy mitazona taolam-paty marobe ao an-tranony ireto. Nidina teny an-toerana ny zandary ka taolam-paty 66 na­fe­nina tao amina valan’osy an’ny lehilahy iray. Nosam­borina […]

Vono olona : ben’ny Tanàna lefitra voatifitra teny ambony moto

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Namoy ny ainy taorian’ny tifitra na­hazo azy ny lefitra faharoan’ ny ben’ny Tanàn’ Ambo­vom­be Androy, i Mananan­dro Jean. Afakomaly hariva, nifanehatra tamin’ireo olondratsy izy raha iny avy niasa hamonjy fodiana iny. Nan­deha moto ity raim-pianakaviana ity.Voatifitra tampoka izy nony tonga teo amin’ny fokontany Ankaramena ka nienjera […]

Fanafihan-jiolahy : rotiky ny bala i Ledany

Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny “Ledany” tao Tsarahonenana Sahanivotry, Antsirabe II, afakomaly. Niantso ny zandary ny fokonolona fa mirenireny ao an-tanàna io jiolahy io. Nanao vela-pandrika, nifandrimbona ny andrimasom-pokonolona. Efa voasambotra nirifatra nankany anaty ala i Ledany. Nampi­tandrina azy in-telo nisesy ny mpanara-dia. Vokany, nitifitra ny […]