Other News

Saf FJKM Isoavina Ambanitsena: mamboly karazan-kazo tsy mila rano betsaka

Ny faran’ny herinandro teo, nanefa ny adidiny namboly hazo ny Fikambanan’ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE)* teny Isoavina Ambanitsena tao amin’ny Saf FJKM. Manana teknisianina manokana ny Saf FJKM, Atoa Dada, momba ny fambolen-kazo nanazava ny tokony hatao. Gazety Taratra(*) : Azonao lazaina fohy ve ny Saf FJKM eto Isoavina […]

Moto nifandona tamina kamiao: Zazalahikely 3 taona sy ny mpitaiza azy naira-maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra lalan’ny atody, ny sabotsy teo. Ankizilahikely iray vao 3 taona sy ny lehilahy iray 40 taona mpitaiza azy no indray namoy ny ainy. Avy any Antanetibe Mahazaza ilay moto, nanao taingin-telo nisy an’ilay zaza. Kamiao iray avy aty Mahitsy, mifanohi-dalana aminy kosa ilay […]

Rugby – XXL Top 20 : faharesena fanindroany ho an’ny JSTA Ambondrona

Niditra teo amin’ny andro faharoa ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 20”, omaly alahady. Fihao­nana notanterahina tetsy amin’ ny kianja Makis Andohata­pe­naka. Mbola tojo faharesena indray ny JSTA Ambondrona, nanoloana ny SCB Besarety, tamin’ity. Niondrika tamin’ny isa 30 no ho 21 ry zalahy. Ni­fandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny […]

Loholona Eddie Fernand: nidina ifotony tany Sava…

Nitohy ny herinandro teo ny fitsidihan’ny loholona, i Eddie Fernand ny tany Sava. Niatrika hetsika samihafa tany an-toerana ny tenany. Nivoitra tamin’izany ny fa­moahana ireo polisy monisipaly, tao Antalaha. Nankasi­traka ny fanatrehany izany ireo nandray fitenenana. Zava-dehibe rahateo ny fampanjakana ny fandriampahalemana. “Porofo izao fa miahy mandrakariva ny kaominina ny […]

Jiu-Jitsu : hifantenana izay hanao « Mondial 2023»

Notanterahina tao amin’ny kianjakelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly “Nach No- Gi 2023” andiany voalohany, amin’ny taranja Jiu-Jitsu. Natao hifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pire­nena malagasy hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial 2023”, any Abu-Dhabi,ny 23 novambra ho avy izao ny fifanintsanana. Araka […]