Other News

Saika hiondrana antsokosoko : olona 22 hita faty narendriky ny sambo

Tafakatra 22 ireo olona hita faty taorian’ilay lozan-dranomasina teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly, afakomaly. Ireo 24 hita velona kosa nitsoaka sy karohina noho ny tahotra. Faty olona niraradraraka. Nitrangana lozan-dranomasina mahatsiravina teo Ankazomborona, fokontany sy kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Rendrika teo anelanelan’ An­kazomborona sy Nosy […]

RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona

Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy […]

Ambolokandrina : mpangalatra vilany tratra

Tsy mety fay mihitsy ! Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy roa avy namaky trano, omaly tamin’ny 5ora sy 30 mn maraina, teny Ambolokandrina. Tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny gonibe iray feno […]

Efa nahazo vola 1 600 000 Ar… : tratra ny lehilahy iray nisandoka ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny PAC

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha teny Ankadindramamy, ny zoma teo, ny lehilahy iray 54 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisandohana andraikitra. Nahazo an­gom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny CSP7 fa misy olona misoloky sy misandoka andraikitra. Ran­gahibe iray no tompon’antoka amin’izany. Milaza ity […]

Voasambotra ny iray : mpangala-bomanga matin’ny vahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny mpangalatra vomanga roa lahy tao Atsinanantsena fokontany Ambatobe Fisa­hanana, kaominina Antana­mbao, ny faran’ny herinandro teo. Naka vomanga teny an-tanimboly, nahatratra 3 gony ireo entana sarona teny amin’izy mirahalahy. Sarona teo am-panatontosana io asa ratsiny io izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana nataon’ny fokonolona. Nanohitra izany anefa […]