Nanao antso avo ho an’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa mba haneho firaisankina sy hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny vondron’ny zanaky betsileo, Betsi-Groupe. «Mila hamafisina izany hanehoana fa manana ny maha izy azy isika na eo amin’ny politika na sosialy na asa fampandrosoana… Ilana tolo-tanana avokoa izany”, hoy izy ireo. […]
Other News
Raikitra ny fitokonan’ny mpiasan’ny masoivoho : nikatona, tsy nandray olona ny ambasady any Frantsa
Nikatona tanteraka, tsy nandray olona, nanomboka omaly ny masoivoho malagasy ao Frantsa. Nohamafisin’ny taratasy fampahafantarana avy amin’ny ambasadaoro, Rajhonson Rija izany. Nanatanteraka ny fitokonana faobe, araka ny efa nambarany sy tsy nihemotra ireo mpiasan’ ny masoivoho any Paris. Nilanja sora-baventy, nanoloana ny biraon’ny ambasady izy ireo, naneho ny fitakiany ny […]
Zava-mahadomelina : lasibatra ireo tanora eto an-dRenivohitra
Mirongatra tanteraka ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika amin’ izao fotoana. Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina tetsy Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo, fa mila hanaovana tetikady manokana izany. “Betsaka ireo sahirana sy maty vokatr’ io zava-mahadomelina mahery vaika io ankehitriny”, hoy ny filoha. Anisan’ny ahitana ny fiparitahan’ny rongony mahery vaika toy […]
Marary ilay firenena!
Tafahoatra ny zava-misy ankehitriny, amin’ny fitiavan-tseza miteraka lonilony amin’ny samy mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy sehatra, tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, fa rehefa misy hirika hidirana sy handrehetana ny afo dia injao mailaka ny fikopakopahana azy hidedaka. Inona indray izao ny tanjona amin’io resaka ambasadaoro any Paris io? […]
Fitiavana tsy raikitra : rangahy nananton-tena avy namono ny sakaizany
Noleran’ny lehilahy iray antsy ny vehivavy sakaizany taloha. Maty nananton-tena izy avy eo. Voalaza fa antony namonoany tena ny tahotra higadra. Efa ela no nisaraka ireto mpifankatia izay niara-maty, vokatry ny sotasotan’ilay rangahy. Raha ny angom-baovao voaray tamin’ ny olona mahafantatra azy roa, mpifankatia nandritra ny telo taona izy ireo. […]






