Other News

Fahasalamana manakaiky vahoaka: nijery ifotony ny fitsaboana mitety vohitra ny filoha

Nitohy teny Antsonjombe indray, omaly, ny hetsika fitsaboana mitety vohitra “Caravane médicale”, ankoatra ireo efa tanterahina any amin’ireo faritra. Anisan’ireo tonga teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry mivady. Mazava ny toromariky ny filoha amin’izao hetsika izao ny mba hampifanarahana tsara amin’ny aretina mahazo ny marary ny fanafody, omena azy ireo. […]

Tafaporitsaka ny telo… : tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra vy

Voasambotry ny polisy mi­a­­sa ao amin’ny kaomisaria fo­i­be Toamasina, omaly ta­min’ny 1 ora sy 30 mn maraina, tao An­jo­ma ny iray tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy (fer 10). Na­ha­ray antso ny polisy fa misy andian-jiolahy tafiditra ao an-tokotaniny man­galatra vy 50 isa. Na­monjy ilay toerana misy ireto […]

Nanararaotra amboTeazy : jiolahy roa tratra nanendaka

Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka roa lahy te­ny Anosizato. Ny sabotsy ma­­raina teo, nanararaotra ny fitohanan’ny fiara ireto olon-dratsy ka nanendaka olona izay tratrany. Nahatsikaritra iza­ny ilay polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra teo. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ka voasambotra […]

Variana nifandamina… : notrongisin’ny Mazda avy aoriana ilay moto sy taxi

Andro miditra ! Ni­tran­gana lozam-pifamoivoizana nandratra olona teny An­ko­rondrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Moto iray sy taxi no nifandona teo amin’ity toerana ity. Mafy ny fifandonana satria samy nahitana fahasimbana na ilay taxi na ilay moto. Mbola nifandamina sy nifanazava momba izany ny mpamilin’ilay taxi sy ilay mpitondra […]

RONGONY roa gony voatango… : lehilahy iray tratra namboly 49 fototra

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra , ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho namboly rongony 49 fototra tao an-tanànan’Ambodivona Ambatolokanga, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy. An­ko­atra ireo rongony tratra teny am-potony, mbola nisy roa gony koa efa voatango sy voakarakara hamidy tratra tao an-tranony. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny zandary momba […]