Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka, taranja handball (CCCOI 2025). Fifaninanana tanterahina any amin’ny Kianja mitafo Toamasina. Nisantatra ny fihaonana ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 37 no ho 32 ny TMI Ihosy nanoloana ny […]
Other News
Karate-DAF : 14 mianadahy miofana eny Ampefiloha
Miditra amin’ny andiany fahatelo ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’animateur fédéral” na ny DAF karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. 14 mianadahy no manaraka izany. Nanomboka ny sabotsy 7 febroary lasa teo, eny Ampefiloha, ny fiofanana andiany fahatelo amin’ny DAF. Fiofanana hiarahan’ny federasionin’ny Karate-do Malagasy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary […]
TARATRY ny KANTO
Homarihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Ny alarobia 14 janoary izao, hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra, izay izy no anisan’ny nanangana izany. «Nalisoa Ravalitera: Tendrombohitra tsy ho saron-javona» ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. «Nalisoa Ravalitera sy Benaina: loharano roa samihafa mihaona» kosa no hoentin’i Mahefa AI, mpianatra mpikaroka […]
« Jazz fiderana »: Hanokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny hetsika 2026
Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoarivo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina […]
« Tena kanto 2 »: Lehilahy avokoa no hampiara-peo amin’i Poopy
Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity. D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana hotontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ […]






