Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity.
D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana hotontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. «Samy manana ny maha izy azy, samy manana feo miavaka izy ireo. Mbola misy iray izay any, mbola henjana ihany koa fa holazaintsika manaraka», hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Live Prod, izay handray an-tanana ny fikarakarana.
Lehilahy avokoa satria efa nosafidiany ho vehivavy daholo ny tamin’ny andiany voalohany. Misy endri-pampisehoana vaovao sy miavaka tian’ny mpikarakara sy i Poopy hasongadina ao no nahatonga ny safidy. Tsy nalahatra fotsiny, araka izany, fa nosafidiana tao anatin’ny maro mba hamoaka izay endri-kanto izay ireto mpanakanto ireto. Anisan’ireo zandriny indrindra, niaka-daza vao haingana i Tanjona Randrianarivelo. Manana fironana amin’ny mozika afaka mivady tsara amin’ny an’i Poopy izy, izay heverina fa anton’ny safidy. I Ken ilay efa naneho ny fisokafany amin’ny mozika maroloko, sy ny fitiavany manokana ny hiran’ireo andriambavilanitra zokiny ireo. Izay hataony rehetra, toa mahazo aina vao avokoa, Ary anisan’ny herin’i Ken izay. I D-Lain angamba no efa nampiara-peo tamin’i Poopy, saingy tsy tamina seho goavana toa izao. Iaraha-mahalala ny fananan’ity mpanakanto ity ilay feo miavaka sy ny fifehezany ny fampiaraham-peo raha tarafina tamin’ireo hira marobe niarahany tamina vehivavy mpanakanto.
Ny iraisan’ny rehetra : hiran’i Poopy avokoa no hatao, homena aina vao mba hamoaka Ilay hoe «Tena kanto». Efa herinandro maromaro no niatrika ny famerenana ny tarika Poopy sy ireo vahininy. Nialoha izay, efa nisy ny fakan-kevitra tamin’ireo mpankafy ny hira mety handrasan’izy ireo.
Zo ny Aina




