Other News

Filoha teo aloha Rajaonarimampianina : “Tonga aho hifampiresaka sy hifampihaino”

Nigadona teny Ivato ny asabotsy teo ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Notsiahiviny tetsy amin’ny foiben-toeran’ny HVM, tetsy Andraharo, tamin’ny la­hateniny fa nanaja ny sata Repoblikanina sy ny fenitra demokratika ny tenany raha niala teto an-tanindrazana, tany amin’ny efa-taona lasa. Navela hiasa an-kalalahana ny mpandimby ka ho tompon’andraikitra amin’ny miseho […]

Fandriampahalemana marolafy

Vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny fiton­dram-panjakana amin’izao ny sosialim-bahoaka. Fandriam­pahalemana no voalohany sy lehibe ary maika indrindra amin’izany? Mby amin’ny hoe tsy misy fampandrosoana vanona, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy ny tsy fisian’ny asan-dahalo sy asan-jiolahy ihany no hoe fandriampahalemana amin’izany, fa eo indrindra koa izay anton’izany. Azo an-tsaina amin’izay heverina ho […]

Filoha Rajoelina tany Mahajanga: “Aoka isika tsy ho voazarazara na hifanary”

Nitohy tany Mahajanga, rehefa avy nandalo tao Ambato Boeny ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny faran’ny herinandro teo. Nambarany nanoloana ny vahoaka sy ireo ben’ny Tanàna fa tsy misy hahatohitra ny fampandrosoana rehefa miray hina sy miray fo. “Aoka tsy hanaiky ho zarazaraina. Miaraka, miray fo aminareo izahay […]

Nisandoka ho kaomisera: lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora

Nidoboka am-ponja eny Antanimora ny zoma teo ny lehilahy iray nisandoka ho kaomisera. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Am­bo­hijatovo no nahasambotra ity jiolahy ity. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana ary fisandohana andraikitra izy. Milaza amin’ny olona solokiany ity lehilahy ity fa hoe kaomisera miasa […]

Anosizato Atsinanana : jiolahy misaron-tava voasambotra

Noraisim-potsiny ! Tsy afa-bela manoloana ny polisy ny jiolahy iray nanao saron-tava niaraka tamin’ny baramina omaly tamin’ny 3ora sy 30mn, teny Anosizato Atsina­nana. Fantatra tamin’ny fanazavan’ny polisy fa avy namaky trano ity jiolahy ity no nifanehatra tampoka tamin’ireo polisy CUI1 nanao fisafoana tamin’iny faritra Ano­sizato Atsi­nanana iny. Nana­marina izany rahateo […]