Other News

Hetsika ho an’ny tanora : tafaverina ny “Slumourap”

Hotontosaina ny 11 fe­broary 2023, eny amin’ny Madagascar Underground An­tsahavola, ny hetsika “Slu­mourap”. Hetsika iarahan’ny mpanao hatsikana Stand up sy ny mpankafy mozika rap ary ny mpanao Slam. Fikamba­nana maro, misehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana sy ny rap ary ny Slam no hiara-misalahy hanatanteraka ity hetsika ity. Efa misokatra ny […]

Famaranana ny faha-30 taona: hanatanteraka seho lehibe ny Tanora Masina Itaosy

Iray amin’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira evanjelika eto Madagasikara ny Tanora Masina Itaosy. Lalan-davitra rahateo no efa vita. 30 taona nomarihina tamin’ny alalan’ny hetsika maro. Hofaranana, rahampitso, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ireo hetsika rehetra nentina nanamarika ny faha-30 tao­nan’ny […]

Kitra vehivavy – Mada 2022 : anjakan’i Vakinankaratra ny fifaninanana

Notanterahina omaly tany Antsirabe, ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra vehivavy taona 2022. Manjaka tanteraka ny ekipan’i Vakinankaratra. La­von’ny Disciple FF Antsirabe tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Mifa Analamanga, resin’ny AC Sabnam Vakinankaratra tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Ascuf Fianarantsoa. […]

Judo-Grand Slam de Paris: telo mianadahy ny solontena malagasy

Hanomboka anio any Paris, Frantsa, ny fifaninanana « Grand Slam », taranja Judo. Manana solontena telo ny Malagasy. Randrianasolo Lova Mahaisoa (-73kg), mi­ampy mpila ravinahitra miisa 2, Rakotoarivony Royal (-100 kg) sy i Vital Christiane (-57kg), no hiaro ny voninahi-pirenena. Ny alarobia lasa teo no efa nanainga teto an-tanindrazana i Lova raha […]