Tsara fiditra ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny mpilalao tsy mila ravinahitra. Resin-dry zalahy ny Black Galaxies Ghana. Nanakoako erak’i Afrika indray ny lazan’i Madagasikara, omaly alahady. Resin’ny Barea, tamin’ny isa, 2 no ho 1 ny Black Galaxies […]
Other News
Minisitra Ramaroson Andry : “Tsy rariny ny toritenin’ny Pasitera”
« Tsy mendrika ho an’ny filoham-pirenena manana ny hasiny sy ny maha izy azy ny tenin’ny Pasitera Andriamampianina Zaka, nandritra ny fotoam-bavaky ny FJKM teny Antsonjombe », hoy ny ministry ny Angovo, Ramaroson Andry. Niaiky ny tenany fa tsy tonga lafatra ny eto. Mbola betsaka ny tsy vita saingy tsy rariny ireny, […]
Ceni : “Hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena”
“Iza no miteny hoe tsy ho raikitra ny fifidianana filohan’ny Repoblika?” hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fiarahaban’ireo rantsamangaikan’ny Ceni, faritany Antananarivo, azy teny Alarobia, ny faran’ny herinandro, manoloana ny fangatahana ny momba izay fifidianana hatao. Araka izany, fifidianana filohan’ny Repoblika no hatao amin’ity taona ity. […]
Fanovana governemanta: mitaky fikaonandoha ny HPM
“Tsy ratsy ny fisokafana. Raha hanao an’izany ihany ny fitondrana: ataovy aloha ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny Hery politika mitambatra (HPM), Ralison Roger, ny amin’ny hoe fanovana na fanamboarana ny governemanta. Izay havoakan’ny fikaonandoham-pirenena izay, fantatra ny vonona hiditra ao amin’ny governemanta. Manara-maso ny fampiharana ny fanapahan-kevitra […]
Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo! “Tokony hipaka eny ifotony ny tena fitsinjaram-pahefana”
Nidina ifotony tany Antsirabe sy Betafo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiainam-pirenena. Nihaona tamin’ny vahoakan’ny kaominina Antohibe, any Betafo ny MMM, ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho […]






