Other News

Mitohy ny fidangan’ny vidin-tsakafo: tafakatra 5.000 Ar ny kilaon’ny siramamy, 18.000 Ar ny kilaon’ny hena

Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny. Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny […]

Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety

Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]

Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy

Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]

Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica

Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randria­miandrisoa Jessica, ilay Ma­la­gasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]