Manara-maso tanteraka ny fanjifana sy ny famatsiana hitsinjovana ireo mponina ao Toamasina ny fanjakana. Araka izany, natomboka ny alatsinainy teo, ny fivarotana ireo kojakoja fanorenana trano toy ny tafo fanitso sy fantsika ary hazo amin’ny vidiny mirary, any an-toerana. Tetikasa hiarahana amin’ny orinasam-panjakana State Procurement Of Madagascar (SPM) ho fanampiana […]
Other News
Famokarana : Hampitomboina ny fidiram-bolan’ny tantsaha
Atao eto Antananarivo, ny 17 hatramin’ny 20 febroary izao, ny hetsika Herinandron’ny fanapariahana ny fomba famokarana ara-pambolena sy fiompiana vaovao, ny fandaharanasa «Extension Week», eto Madagasikara. Tanjona ny hampiharana ny Paikadim-pirenen’ny foto-kevitry ny vaomiera ara-pamokarana (SNVA). Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, omaly, fa tanjon’ny […]
Vondrona Eoropeanina : 370 miliara Ar ho an’ny varotra, ny rano, ny tontolo iainana
Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara ny Vondrona eoropeanina. Mitentina 370 miliara Ar ny famatsiam-bola vaovao hanohanana ny orinasa tsy miankina, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famatsian-drano fisotro any Toamasina. Natao sonia, omaly, teny Mahazoarivo, ny fifanarahana famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny primatiora ary ny minisiteran’ny Toekarena sy […]
FANTINA sy FINTINA
Hitsidika ny any Rosia ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny vaovao navoakan’ny Africa Intelligence. Hihaona amin’ny filoha rosianina, Vladimir Poutine, ny tenany ho fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Andrasana any Paris, aorian’izany, ka hihaona amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron. Naneho ny heviny momba ny […]
Takaitran’ny rivodoza : Miombom-po amin’ny Malagasy ny papa Leon XIV
Nahatsiaro manokana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny papa Leon XIV. Nitondra am-bavaka manokana ny tenany, tamin’izany, indrindra ho an’ireo traboina sy niharam-pahavoazana tamin’ireo rivodoza indroa miantoana. Nanatanteraka fotoam-bavaka fanao isan’andro, amin’ny alalan’ny anjelisy, omaly maraina, tao Vatican, ny tenany tamin’io fotoana io. Nambarany tamin’izany fa miombom-po ary mitondra […]







