Nahatsiaro manokana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny papa Leon XIV. Nitondra am-bavaka manokana ny tenany, tamin’izany, indrindra ho an’ireo traboina sy niharam-pahavoazana tamin’ireo rivodoza indroa miantoana. Nanatanteraka fotoam-bavaka fanao isan’andro, amin’ny alalan’ny anjelisy, omaly maraina, tao Vatican, ny tenany tamin’io fotoana io.
Nambarany tamin’izany fa miombom-po ary mitondra am-bavaka ho an’ireo rehetra niharam-boina sy ny fianakavian’izy ireny ary ho an’ireo rehetra niharan’ny fahasimbam-pananana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy ny papa Leon XIV.
Tsiahivina fa efa nanao fanambarana sy hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), niantso ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ho amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo traboina. Tahaka izany koa ny eo anivon’ny FJKM tamin’ny antso maika eny anivon’ny synodam-paritany avy. Nanombohana izany ny fotoam-bavaka samy notanterahina ny alahady tolakandro teo.
Niantso fahatongavan-tsain’ny rehetra kosa ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra nampitainy manoloana izao manjo ny firenena sy ny vahoaka izao. « Manentana ny rehetra izahay mba hanalavitra ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa ao anatin’izao voina izao », hoy ny hafatry ny eo anivon’ny FFKM, eo anatrehan’izao takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, Fytia sy i Gezani, izao. Nisaotra sy nankasitraka ireo rehetra efa nandray andraikitra ireto fiangonana efa-tonta ireto amin’ny famonjena ny havana ka mifanome tanana sy mifamonjy ao anatin’ny voin-kava-mahatratra, araka ny hafatry ny FFKM hatrany.
Synèse R.




