Samy tafakatra amin’ny «Poule des As», hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy, ireo ekipa roa, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Anatin’ izany, ny AC Sab-Nam, sy ny Disciples FF. Fihaonana, hatao eto Antananarivo, ny volana febroary 2023. Marihina fa nifarana ny asabotsy lasa teo ny dingana faharoa amin’ny […]
Other News
Barea Chan: hivoaka ny zoma izao ny lisitr’ireo mpilalao 23
Ho fantatra amin’ny 23 desambra ho avy izao, ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, ho avy izao. Araka ny fanambaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, ny asabotsy lasa teo, […]
Boky vaovao : nivoaka ny «Maroandavaka»
Notanterahina ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Espace Kolo Kanto Parc de l’Est Antsirabe ny famoahana ny “Maroandavaka”, boky mirakitra haisoratra novolavolain’ny aingampanahin’ireo poeta 9 mianadahy (Lamz, Riana, Ni-Avatsa, Aloka Miserana, Ny Avo Elabakaka, Tsiky Sesehena, Aingan’ny Ala, Patrick Teddy ary i Faniry Ezeckiel. Avy amin’ny Faribolana Sandratra sampana […]
Fampianarana ambony sy kolontsaina : namoaka mpikabary 16 ny Club Vintsy Famelona
Tontosa ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Grand amphithéâtre Degs, Oniversiten’Antananarivo ny famoahana mpikabary 16 mianadahy, notanterahin’ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra, eo anivon’ity oniversite ity. Rehefa nianatra nandritra ny 7 volana, voafehin’izy ireo ny fototry ny kabary, ny kabary an-kasoavana sy an- karatsiana. […]
Faran’ny taona : manohana mpanakanto ny Airtel
Nandritra ny taona maro, tsy mitsahatra manohana ny mpanakanto ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpanan-talenta miangaly azy ho an’ny vahoaka sy ireo mampiasa ny tambajotrany ny Airtel Madagascar. Fetin’ny faran’ny taona «Prestigiuous time» hifampizarana amin’ireo mpanakanto avo lenta avy eto an-toerana na avy any ivelany. «Fanohizana ny efa […]






