Other News

Fampisehoana ho an’ny Ankizy: hetsika tsy mbola nisy teto Madagasikara

Tontosa, omaly, alahady 18 novambra 2022, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny « Cirque Momota ». Fampisehoana niarahana tamin’ny Momota sy ny tariny ary ny « Aleas des possibles ». Tsy ampy ny fampisehoana ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Vi­tsy ny mpikarakara lanonana mikarakara hetsika ho fanomezana fahafaham-po ny ki­longa malagasy. […]

Fialan-tsasatry ny fitsarana : misy hatrany ny fiandrasan-draharaha

Hanomboka anio ary hifarana ny 15 janoary 2023 ny fialan-tsasatra eny anivon’ny fitsarana, Antananarivo. “Mi­so­katra hatrany anefa ny fitsarana. Na eo anivon’ny fampanoavana izany, na eo anivon’ny firaketan-draharaha hahazoana mampiditra an’ireo raharaha rehetra heverina fa tokony hapetraka eny amin’ny fitsarana”, hoy ny lehiben’ny firaketan-draharaha, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, […]

Fanisana mpifidy: niantso fanaraha-maso hentitra ny lisitra ny Tim

Nitohy tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny Tim, ny faran’ ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko izany. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc tamin’izany fa efa hikatona tsy ho ela ny fanisana ny mpifidy, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Entanina ireo […]

Fehinkevitry ny Hiffim: “Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanana”

“Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ka antsoina manokana handray andraikitra amin’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny mpitantana ny firenena amin’izao fotoana izao.” Io ny anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Mada­ga­si­ka­ra (Hiffim), teny An­dre­fan’ Ambohijanahary, ny herinandro teo, nentin’ny […]

Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mihaino ny olan’ ny vahoaka eny ifotony…”

Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­ri­velo Hajo ny atsimon’ny Nosy. Nivoitra tamin’izany ny olana maro samihafa iainan’ny vahoaka any an-toerana. Anisan’izany ny olana sosialy. Tsy mifanaraka amin’ ny filan’ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. “Ilaina ny mihaino ny olan’ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso […]