Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kaonseritra klasika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka seho lehibe, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely ny « Ensemble vocal Hiraitra ». Fampisehoana hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka 1 ora tolakandro, hitondran’izy ireo eny an-tsehatra ny « International Carol suites » narindran’i Mark Hayes. Antsa hanehoan’ny Hiraitra iny fiderana […]
Other News
Kilalao Malagasy: tombony ho an’ny Malagasy ny fananana ny fanorona
Nampiasain’ny mpanjaka sy ny olon-kendry, hitantanana ny tany sy ny fanjakana tamin’izany ny paikadin’ny fanorona. Manomboka takona anefa itony karazana kilalao malagasy itony ary efa vitsy ny mahalala sy milalao azy ankehitriny. Harena ho an’ny Malagasy ny fananana karazana lalao noforonin’ny razambe. Tanterahina ny asabotsy 10 desambra 2022 eny amin’ny […]
Hetsiky ny ONG Tak: hisitraka fanomezana ireo ankizy maherin’ny telo hetsy
Hanao hetsika fizarana fanomezana ho an’ny ankizy miisa 332 000 ny ONG Tetikasa ankizy krismasy (Tak). Hahazo izany avokoa ireo faritra 23 manerana ny Nosy. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny hampidirana ireo kaontenera miisa 49, tsy andoavana haban-tseranana. Natolotry ny fikambanana Samritan’s Purse any Etazonia. Ahitana kojakojam-pianarana, […]
Depiote Raheriharijaona Regina Clarisse : “Aoka isika ho tony ary tsy hikorontana…”
“Aoka isika tsy hikorontana… Ilaina ny fitoniana. Aleo handeha ny fampandrosoana”, hoy ny depiote, voafidy tao Farafangana, Raheriharijaona Regina Clarisse, omaly tetsy Anosy. Nohitsiny fa tsy anisan’ireo nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny tenany. Safidy io ary tsy ifanomezany tsiny amin’ireo namany. Na izany aza, anisan’ny mamaritra ny fitoniana […]
Otrikafo: “Ahina hiavian’ny fipoahana sosialy ny delestazy”
Naneho hevitra manoloana ny olana sosialy, indrindra ny fahatapahan-jiro tato ho ato ny Otrikafo. Nametraka ny ahiahiny izy ireo. “Manahy izahay hoe io no hiavian’ny fipoahana sosialy manaraka eo, raha tsy mitandrina ny mpitondra fanjakana. Apetrakay ny adihevitra hoe: tsy hirosoana ve ny vahaolana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, […]






