Nisy fiarabe iray nitondra solika mavesatra nibahana teo Ambohipeno, nanomboka ny alatsinainy 20 jolay teo tamin’ny 6 ora sy 30 mn hariva. Tsy mbola afaka teo an-toerana ity kamiao ity, omaly talata tamin’ny 7 ora hariva. Nisy fikorontanany, noho izany, ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny Tambajotra Iraisan’ Antananarivo […]
Other News
Orinasa Enelec : Nandray ny ahiahin’ny Filohan’ny Fanavaozana
Nitondra fanazavana ny orinasa Enelec, manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-jiro any amin’ireo tobim-pamokarana tantaniny. Toe-javamisy nahatonga ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mickaël, nanakihana ny orinasa, afakomaly. Niaiky ny Enelec fa nisy ny olana ara-teknika goavana sy tsy azo nanoharana, nosedraina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny orinasa raha […]
Fanatsarana ny lohamenaka: Voafaritra ny paikady maharitra
Nivoaka ny paikady maharitra mahakasika ny fanatsarana ny lohamenaka. Voarakitra anatin’izany ny fanamafisana ny fikarohana teknolojia mba hampihenana ny fampiasana kitay hanodinana menaka. Torak’izany ny fanatsarana ny rafitry ny fanondranana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mivoitra amin’ny paikady ihany koa ny fanamorana ny fahazoana tany sy ny fampiroboroboana ny […]
Fandaharanasa Accéléreo : 50 tapitrisa dolara hanohanana ny PME
Famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa dolara no omen’ny fandaharanasa Accéléreo ny orinasa madinika sy salantsalany. Tanjona ny hahafahan’izy ireny mivelatra sy mamorona asa maharitra. Fanamby lehibe atrehin’ny Malagasy mpandraharaha ny fisitrahana famatsiam-bola, ny tsena ary ny fampifanarahana ny tetikasa amin’ny teknolojia. Antony nahatonga ny governemanta sy ny tetikasa Pôles intégrés de […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola anatin’ireo lahadinika ny hanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. Nanteriny kosa fa tsy ampy raha 12 andro no hivorian’izy ireo. Tsiahivina fa aorian’ny fivorian’ny parlemantan’ny Sadc vao hatao ny fivoriana tsy ara-potoana. Tsy tokony hatao an-kamehana ny […]






