Iray andro taorian’ny tsy fahitana ny Dr Hortensia, tovovavy 27 taona, sy nanaovana ombay mitady azy tamin’ny tambajotran-tserasera, hita faty tao amin’ny Chute Andriamamovoka, ao amin’ny faritra Ranomafana, ny vatana mangatsiakany, omaly maraina. Latsaka tany anaty haram-bato lalina, ao Ranomafana, ny tenany ka nampanano sarotra ny fakan’ny vondrona mpamonjy voina […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Fampianarana zavakanto. Mahay mampita ny Malagasy? Fahiny, tsy mba nisy ny sekoly nentin’ny Malagasy nampita na nizara fahaizana ho an’ny hafa. Ny fanarahana ny zokiolona mikabary no nanazatra sy nitaiza tsikelikely ho tonga mpikabary. Ny sofina mandre sy ny maso mahita ny fomba hitendren’Ikaky na Ineny ny valiha no nametraka […]
20 taona nitantanana ny Fi.Mpi.Ma : Hampita fanilo Andriamboavonjy Hanitriniaina
Anio no hanamarika ny faha-20 taona nitantanany ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma) Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala. Amin’ny alalan’ny hetsika « Tafasirim-pifaliana », hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Ampefiloha. Izy no vehivavy voalohany nitondra ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Ao anatin’ny fampahafantarana ny […]
« Live Stage II » : Hiray sehatra i Denise sy i Jaojoby
« Tsara tsara ». Hira iray iarahan’i Jaojoby sy i Denise, izay nanampy ny laza efa nananan’izy ireo io. Hira nanamarika ny roa tonta, satria voninahitra ifampizarana eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka samy mpanao mozika. Fanombohana iny fampiaraham-peo iny, fa mitohy hatrany kosa ny fiaraha-miasa eo amin’i Jaojoby sy i Denise. […]
Kanto Miampita : Hanome ny tsara indrindra ny tarika Njila
Hatao ny 31 jolay 2026, eny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana takariva an’ny tarika Njila. Fampisehoana miavaka tafiditra ao anatin’ny hetsika “Kanto Miampita”, tohanan’ny Airtel Money. Fotoan-dehibe miavaka ny fihaonan’ny tarika Njila sy ny mpankafy azy amin’ity fotoana ity. Lanonana takariva, «grand cabaret», tena hisongadina raha ny eto Antananarivo no […]






