Amin’ny tonon-taona tahaka izao. Efa zary mahazatra ny Malagasy ny « manao fety ». Ny hira sy ny dihy no mahazo vahana kokoa amin’izany. Ho an’ity fanakatonana ny taona 2025 ity. Maro amin’ireo Malagasy mpanakanto no nisafidy ny hijanona eto an-toerana. Saika any amin’ireo efitrano malalaka na « Espace » ivelan’ny Renivohitra no hanatanteraka […]
Other News
Taona 2026: mila omen-danja ny fikoloana ny saina
Nanjary tsy mahataka-davitra intsony ny Malagasy. Tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ny saina. Miteniteny foana. Manaotao foana. Mihinankinam-poana, satria, ratsy kolokolo ny saina ka zara raha misy fahalalana ao aminy. Tsy mahavita mandinika sy mamakafaka intsony, hany ka manao rapa-dango sy telimoka izay hitan’ny maso, ren’ny […]
Miandry ny gasy
Hivalona tanteraka anio ny taona 2025. Taona izay nisehoan’ny fahagagana tanteraka raha ho an’ny Malagasy. Nahitana izany ny tontolon’ny politika. Iza tokoa no nanampo fa noraofin’ity taona ity ny fahefan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena tsy nampino mihitsy ny zava-niseho tanatin’ny fotoana fohy. Nitsimbadika […]
Maka Alphonse: “Mila finiavana ny hoavy politikan’i Madagasikara”
“Mila finiavana politika ny hoavy politikan’i Madagasikara. Mila olona toa an’i Jerry John Rawlings tany Ghana. Miaramila izany. Sahy manova…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hirosoana amin’ny hoe fanavaozana. Raha sahy manova, tsy maintsy atao […]
Antenimierampirenena: saro-toerana ireo depiote tsy tonga mivory
Nesorina amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy ny loholona isany, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana. Araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny 24 desambra lasa teo. Antony ny tsy fanatrehana fivoriana tsy nametrahana taratasy fanazavana na fialan-tsiny ny antony azo ekena: naman’ny manala tena avy hatrany. […]






