Miandry ny gasy

Hivalona tanteraka anio ny taona 2025. Taona izay nise­hoan’ny fahagagana tanteraka raha ho an’ny Mala­gasy. Nahitana izany ny tontolon’ny politika. Iza tokoa no nanampo fa noraofin’ity taona ity ny fahefan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena tsy nampino mihitsy ny zava-niseho tanatin’ny fotoana fohy.
Nitsimbadika tanteraka ny raharaham-pirenena. Toa ny tody tokoa no tsy misy fa ny natao no niverina ho an’ny fitondrana teo aloha. Iza no nanampo fa ny andian-tafika nametraka azy an- keriny ihany no nanongotra azy. Amin’ izao fotoana izao aza, ireo nohenjehina ho fahavalom- pire­nena sy nampangaina ho mpambotry indray no lolohavina an-tampon’ny loha.
Tafapetraka ny fanjakana, nahazo fahefana ny miaramila, efa miroso ny asa. Nivadika ny pejy. Niova andriana niova sata. Niova ny zotra entina hitondrana ny firenena. Ny indrokely fotsiny, tafahoatra ny fahasamihafana amin’ ny mpitondra. Samy manana ny firehany sy foto- kevitra politika ny antoko sy fikambanana. Tokony ho hery ilay izy kanefa mitady hivadika ho fahalemena sy ho faharefoana izany. Samy mitady hitondra ny lohany sy te ho lohalisitra amin’ny fitantanana ny mpanao politika.
Zava-dehibe anefa ny fahanginan’ny Filohan’ny Fana­vaozanaa ny Repoblika manoloana ny resabe etsy sy eroa. Tsy miteny fa mipetraka ho raiamandreny hatrany. Mbola lavitra ny lalan-kizorana sy ny ady hatao. Mizotra mankany amin’ny fametrapetrahana ny lamina ny zava-drehetra izy. Mifantoka amin’ny asa fa tsy lany andro amin’ny resabe. Mitaky vokatra rahateo ny vahoaka, araka ny teny nifanomezana amin’ny hitsarana ireo minisitra arakaraka ny asa vitany tao anatin’ny roa volana. Miandry ny gasy!

r.r

Partager sur: