Taona 2026: mila omen-danja ny fikoloana ny saina

Nanjary tsy mahataka-davitra intsony ny Malagasy. Tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ny saina.

Miteniteny foana. Mana­otao foana. Mihinan­kinam-poana, satria, ratsy kolokolo ny saina ka zara raha misy fahalalana ao aminy. Tsy mahavita mandi­nika sy mamakafaka intsony, hany ka manao rapa-dango sy telimoka izay hitan’ny maso, ren’ny sofina, voatsapan’ny tanana, amboloin’ny orona, matsiro amin’ny lela.
Vokatr’io tsy fahampian’ny fahalalana io avokoa no ma­hatonga ireo. Taona 2026, mila omen-danja ny fikoloana ny saina. Tsy sarotra amin’ny Malagasy ny miaina izany, satria, lova napetraky ny teo aloha fa nataony tsinontsi­nona. Haverina any anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina rehefa mety ho fanabeazana mikolo saina. Anisan’­ ireny ny lalao na ny kilalao nitaizana ny zaza fahiny.
Taona 2026, mila omena lanja indray ny fitantarana angano. Ny fanaovana ny an­kifidy, ankamantatra… Ham­­pahafantarina sy hikoloana ny sain’ny zaza sy ny tanora ny fanorona sy ny katro. Hoen­tina manatrika sy miatrika kabary (amin’ny lafiny rehetra) ny zatovo, sns. Hampanan­to­nina ny tany ny zaza sy ny an­kizy ary ny tanora mba hi­tombo sy hitombona ny fa­ha­la­lana ananany mom­ba azy.
… Anisan’ny antony nahatonga ny Malagasy tsy ampy kolo saina ny fitotongan’ny tontolon’ny fanabeazana (an­ko­honana, fianakaviana, fia­rahamonina, fikambanana samihafa, vondrona isan-ka­razany…) sy ny fampianarana. Omena ny tsy sahaza azy ny taranaka, hany ka nanary sy nanafoka ny azy. Nanom­boka teo, tsy mitsaha-mitotongana ny firenena.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: