Nanolotra fitaovam-pitaterana tena ilain’ny daholobe ny orinasa CGHV, misahana ny fananganana tohodrano lehibe, mamokatra herinaratra any Volobe, Toamasina II. Notokanana ny 13 desambra teo, tany Andringaringa, kaominina Fanandrana, distrika Toamasina II, ny baka vaovao Volobe Amont (TMF25118). Zava-dehibe ity dingana ity amin’ny fanatsarana ny fivezivezen’ny mponina sy ny mpandraharaha manodidina. […]
Other News
Fampandrosoana : 6,7% ny tahan’ny tsy fananana asa eto amintsika
Ambany ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. « Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna sy amin’ny tsy ara-drariny ny ankamaroan’ny mponina ary sarona ao anatin’izany ny tahan’ny tsy fananana asa ». Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny fampananasa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananasa ary ny asam-panjakana (MTFO), Ange Simonia, nandritra ny […]
Voka-pikarohana siantifika : Manan-danja amin’ny fitrandrana ny tontolo iainana
Ilaina ny manaraka ny voka-pikarohana siantifika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba hiantohana ny famokarana ara-drariny sy manaja tontolo iainana. Miantoka ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny tontolo iainana, noho izy mpamatsy ny akora samihafa hotrandrahina. Nivoitra izany nandritra ny fikaonandohan’ny mpikaroka, « Colloque scientifique de l’école doctorale […]
TARATRY ny KANTO
“Hitono kalo 2.0”. Haverina indray anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena. Antsa tononkalo miavaka, iarahana amin’i Riva sy Onja Rakotomalala izy ity, hitondran’izy ireo ny sanganasa voafantina, mifanaraka sy mifaningotra mba hitana ny fo amam-panahin’ireo izay hanatrika. Efa andiany faharoa ny hetsika, noho ny fahombiazan’ny […]
Rap malagasy : Avy amin’ny fiarahamonina, ho an’ny fiarahamonina
Tsy fialamboly fotsiny. Mifototra kokoa amin’ny maha olona ny rap ary matetika porofoin’ireo mpisehatra izany, toy izay niseho tao amin’ny Chez Papa Isoraka farany teo. Rap ho an’ny fiarahamonina. Efa ela no nivoy an’izay ireo mpiangaly ny rap malagasy sasany. Anisan’ireny ry zalahy avy ao amin’ ny vondrona Bogota, toa […]






