Voka-pikarohana siantifika : Manan-danja amin’ny fitrandrana ny tontolo iainana

Ilaina ny manaraka ny voka-pikarohana siantifika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba hiantohana ny famokarana ara-drariny sy manaja tontolo iainana.

Miantoka ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny tontolo iainana, noho izy mpamatsy ny akora samihafa hotrandrahina. Nivoitra izany nandritra ny fikaonandohan’ny mpikaroka, « Colloque scientifique de l’école doctorale gestion des ressources naturelles et développement » (ED-GRND), andiany fahefatra, atao ny 16-17-18 desambra, eny amin’ny Ecole supérieure de des sciences agronomiques (ES­SA). Hetsika hivondronan’ireo mpikaroka, mpianatra mpikaroka (doctorants), mpampianatra, mpanapa-kevitra, fi­ka­m­­banana tsy miankina (ON­G), mpandraharaha ary mpiara-miombon’antoka amin’ny
fampandrosoana ny valim-pikarohana nataony momba ny tontolo iainana. Araka izany, hampifandray ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpikaroka siantifika ny hetsika. Hana­dratana ihany koa ny vokatry ny fikarohana ho lasa vahaolana azo ampiasaina amin’ny asam-pitrandrahana sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. « Tokony harindra ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny fitrandrahana mba hiantohana ny fampandrosoana marolafy », hoy ny Pr Jean Claude Omer, filohan’ny mpanomana ny fikaonandoha 2025. Mazàna, hoy izy, tsy manaraka ny voka-pikarohana ny fitrandrahana atao eto amintsika ary lasan’ ireo mpamatsy vola avokoa ny ankamaroan’ny harena. Vo­kany, miaina anaty fahantrana ny Malagasy, potika ihany koa ny tontolo iainana.

Rafitra

Mametraka ny zavamananaina ho ivon’ny fampandrosoana ny fikarohana siantifika. Antony indrindra nitondrana ny lohahevitry ny fikaonandoha hoe: « afaka mamaha ny olana ara-tontolo iainana ve ny fitantanana tsara kokoa ny harena voajanahary? ». Tan­jon­’ny fikaonandoha ny hana­tsarana ny fitantanana ny ha­rena voajanahary amin’ny alalan’ny fampiasana ny voka-pikarohana siantikafa hiantohana tontolo iainana lavorary eto Madagasikara sy aty amin’ ireo firenena Tatsimo.

Henintsoa

Partager sur: