Other News

Orge malagasy : Manan-danja saingy tandindomin-doza

Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voa­angona tany Vaki­nan­ka­ratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra […]

Ladoany : Mitombo ny fandanian’­ ny « transitaires »

Misedra olana ireo mpandraharaha ao anatin’ny vondrona fampivondronana entana (groupage) avy any ivelany. Mi­tombo ny fandanian’izy ireo ka miteraka fatiantoka, vokatry ny fitsipika vaovao napetraky ny sampandraharahan’ny Fadin­tseranana. Nambaran-dRandrianarisoa Rivo, mpikambana ao anatin’ity vondrona mpandraharaha ity, fa tsy misy afa-tsy kaontenera iray isan’andro sisa no vitan’ny mpiasan’ny Ladoany tsirihina. Marobe […]

Dr Andriamandimby Souleman: Mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana ny « Géodiversité »

Anisan’ny namelabela-kevitra nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Géodiversité, ny alakamisy 11 desambra teo, teny amin’ny oniversite Ankatso, ny Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim. Mpampianatra mpika­roka ny tenany, sady talen’ny Foibem-pikarohana ny jeolojia, ny otrika­rena ambanin’ny tany ary tontolo iainana. Nasongadiny fa voambolana tsy mbola fantatry ny besinimaro nefa manan-danja amin’ny […]

Baolina kitra – « Tournoi des Grands Elites »: Azon’ny Disciples FC ny amboara

Nahavita lalana tsy nisy lesoka ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra nandritra ny fifaninanana « Tournoi des Grands Élites », izay natao tao amin’ny kianja Velodrome Antsirabe, ny 9-13 desambra lasa teo. Fandresena roa nifanesy sy lalao iray nifarana ta­min’ny ady sahala no naha tompondaka azy ireo tamin’ity fifanintsanana ity. Ny […]