Other News

TSELATRA

Fasana efatra nisy namaky tany Antambo­hobe, fokontany Mangatany, kaominina Arivonimamo, ny sabo­tsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’ izany, ny razana am-polony. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ireo mponina manodidina. Tonga nanao ny fanadihadiana ny manam-pahefana. Nanatanteraka asa sosialy tany Manakara ny polisy avy amin’ny Brigade féminine de proximité […]

Mangarivotra : Lavon’ny balan’ny polisy i Mainty

Nirefotra ny basy tany Mangarivotra, ny alahady hi­foha alatsinainy lasa teo. Rai­kitra ny fifanjevoana teo amin’ ny polisy sy ireo jiolahy mpamaky trano tany amin’ny fo­kontany Mangarivotra, Ankiri­hiry, Cité Haras, Toamasina. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) nandritra izany ny jiolahy iray, fantatra amin’ ny anaram-bositra hoe : […]

Fanolanana ankizivavy 15 taona: Mpivady niara-naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana ny 5 desambra teo, tany amin’ny fitsarana Tolagnaro, ny ombiasy iray sy ny vadiny. Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny Tolagnaro izy ireo taorian’ izay. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 15 taona tany Mangarivotra, fokontany Amboanato, kaominina To­lagnaro, ny 26 novambra 2025 lasa teo izy ireo. Tsiahivina fa nisy nanolana […]

« Madagaslam Festival » : Tompondakan’i Madagasikara 2025 i Ma Fia

Naharesy lahatra olona maro i Ma Fia, vao nisalotra ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara amin’ny “slam-poésie”. Solontena any amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa. Samy babany avokoa… Saingy toy ny fifaninanana rehetra, tsy maintsy misy ny mpandresy. I Ma Fia, solontenan’ny faritra Boeny, no nivoaka ho tompodakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny […]