TSELATRA

Fasana efatra nisy namaky tany Antambo­hobe, fokontany Mangatany, kaominina Arivonimamo, ny sabo­tsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’ izany, ny razana am-polony. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ireo mponina manodidina. Tonga nanao ny fanadihadiana ny manam-pahefana.
Nanatanteraka asa sosialy tany Manakara ny polisy avy amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP) any an-toerana, ny alahady lasa teo. Tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny fahavalo taonan’ny fikambanana sy 16 andro hiadiana amin’ny herisetra ny hetsika. Noto­lorana fanomezana ny zokiolona, ny manana fahasembanana ary ireo sahirana ara-pivelomana.
Vehivavy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tao Inena, kaominina ambanivohitra Ambinanindovoka, omaly maraina tamin’ny
3 ora sy sasany. Olona 16 hafa naratra, tsy maintsy nalefa any amin’ny Hopitaly Tambohobe Fianarantsoa. Niva­dika sy nianjera teo amin’ny tetezana Inena Ambinanin­dovoka ny fiara mpitatitra entana iray.
Mpanao sinto-mahery sy harom-paosy miisa enina saron’ny polisim-pirenena nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny amin’ny tetezan-dRamala, Isotry, ny sabotsy 7 desambra lasa teo. Matetika hitrangana harom-paosy miharo fandratrana mpandalo, niandry kendry tohina ireo mpanao ratsy, teny an-toerana, ny ekipan’ny polisy. Tontakely miisa enina voasambotra nandritra io fotoana io.

Partager sur: