Mangarivotra : Lavon’ny balan’ny polisy i Mainty

Nirefotra ny basy tany Mangarivotra, ny alahady hi­foha alatsinainy lasa teo. Rai­kitra ny fifanjevoana teo amin’ ny polisy sy ireo jiolahy mpamaky trano tany amin’ny fo­kontany Mangarivotra, Ankiri­hiry, Cité Haras, Toamasina. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) nandritra izany ny jiolahy iray, fantatra amin’ ny anaram-bositra hoe : Mainty. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, tratra teo am-pamakiana trano iray izy io. Nandositra avy ha­trany izy vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana. Nasaina nijanona nefa nan­dositra hatrany. Mbola nikasa hamely sy hampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ihany koa. Vokany, voatery nandray fepetra ny polisy ka nitifitra azy, nitarika tamin’ny fahafatesany izany.
Nahitana antsy be

Nandritra ny fisavana na­taon’ny polisy, hita tany aminy ireo karazan-java-maranitra sy fitaovam-piadiana entiny manao asa ratsy. Anisan’izany ny antsy be, kitapo fanasiana entana halatra. Olon-dratsy malaza amin’ny fanaovana asa ratsy. Ela nampihorohoroana ny mponina tany an-toerana izy io saingy izao lavo izao ihany. Jiolahy raindahiny amin’ny famakiana trano miharo fampiasana fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ny tenany.
Nentina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be Toa­masina ny razana. Hatramin’ ny nanoratana ny vaovao, mbola tsy tonga naka izany teny an-toerana ny fianaka­viany.

 

Sajo

Partager sur: