Manohana ny fitantanana maharitra ny faritra arovana an-dranomasina tantanin’ny mponina eny ifotony (LMMA) ny Tahirim-bola maneran-tany ho an’ny tontolo mananaina (GBFF). Mitentina 5,29 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem) ho an’i Madagasikara. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra […]
Other News
« Antson’ny tontolo miaina »: noravahina manokana ny seranam-piaramanidina Ivato
Noravahina sary hosodoko karazan-kazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Ravinala Airports sy ny malagasy mpanakanto sangany miisa roa. Nanomboka ny taona 2023 ny hetsika « Antson’ ny tontolo miaina ». Amin’ity andiany fahatelo ity, lohahevitra noraisina ny hoe « Dendrophile », anehoana ny fankafizana ny hazo sy ny ala. Noravahina manokana, […]
Sarotra atao ilay Gasy
Manahirana, tsy hita be ihany ny andraisana ireto vahoaka malagasy tsimandadiharona ireto. Toa mila voatsiary amin’ izay zava-miseho. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mbola mimenomenona ihany ny ankamaroany. Tsy mahay mankasitraka kanefa tsy mandray andraikitra ny ankamaroany. Ny tsy manao ihany koa moa no mimenomenona. Raha ny zava-misy […]
Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »
Nitondra ny heviny ary hanolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Mandroseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tantara isika, taorian’ny faharavan’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra […]
Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana: mpanolotsaina ambony miisa telo nosoloina, omaly
Nosoloin’ny fitondram-panjakana, omaly, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Voalaza fa nametra-pialana izy ireo saingy mitsipaka izany izy telo mianadahy. Namoaka didim-panjakana lah. 2025-1965 ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafimanantsoa Heritiana Joël. Tsy inona […]






