Manohana ny fitantanana maharitra ny faritra arovana an-dranomasina tantanin’ny mponina eny ifotony (LMMA) ny Tahirim-bola maneran-tany ho an’ny tontolo mananaina (GBFF). Mitentina 5,29 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem) ho an’i Madagasikara. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), miaraka amin’ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana (FAPBM) sy ny WWF.
Asa hataon’ny tetikasa ny fanamafisana ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina manan-danja, toy ny ala honko, ny harandranomasina ary ny ahi-dranomasina. Tanjona ny hanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary an-dranomasina iarahana amin’ ny mponina eny ifotony sy ny rafitra famatsiam-bola maharitra. Miisa 5 450 fara fahakeliny ny mpisitraka mivantana amin’ity tetikasa ity. Ao anatiny ny fiofanana fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra ny fanatsarana ny velon-tenan’ ny mponina eny ifotony.
Tafiditra ao anatin’ny Tanjona maneran-tany 30 x 30 ity tetikasa ity. Tanjona ny hametrahana an’i Madagsikara ho lohalaharana aty amin’ny faritra misy antsika, mahakasika ny fiarovana ny harena an-dranomasina iarahana amin’ ny mponina eny ifotony.
Natao sonia ny 21 desambra teo ny fifanarahana hisitrahan’i Madagasikara ity famatsiam-bola 5,29 tapitrisa dolara ity.
Njaka A .




