Ho tonga eto an-tanindrazana, rahampitso, Razanakoto Iaro, Malagasy mpanamory fiarakodia amin’ny fifaninanana “Grand Turismo”, anatin’ny faritra Asia-Atsimo Atsinanana. Hafana ny fandraisana azy, raha ny vaovao voaray. Hisy ny fitsenana an’ity Malagasy ity eny Ivato, ary ao anatin’izany ny fizarana ny satroka ho an’ireo mpankafy manokana tonga eny an-toerana. Raha tsy […]
Other News
Rugby – USA Vs FTM : Hidona ny samy kartie
Hiditra amin’ny herinandro fahefatra ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby, « XXL Top 12 », rahampitso alahady. Eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka hatrany no hanatontosana ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana, hiendrika famaranana ny donan’ny samy kartie, hifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso). Hangotraka ny lalao satria ekipa ao anatin’ny […]
Basikety-Africa Cup 3×3: Fandresena roa azon’ny Ankoay, sokajy vehivavy
Nanomboka, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja Basikety 3×3. Tsara fanombohana ny ekipa malagasy vehivavy. Ny Ankoay vehivavy no niakatra an-kianja, omaly, ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny “Africa Cup 3×3”, izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny Mahamasina. Nandritra ny lalao voalohany nifandrinan’izy […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana […]
Fiara nifandona : Olona 14 naratra tetsy Andohatapenaka
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka zotra D nifanena taminy, ny fiara 4*4 marika Galloper iray. Nandeha mafy avy any amin’ny Art malagasy Ambohitrimanjaka hihazo an’Antananarivo io fiara namoa-doza io. Tsy nahatana familiana ny mpamily ka nifatratra sy […]






