Hiavaka ny « Hiragasy goavam-be » hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro izao. Adin-kiragasy sy fanolorana mari-boninahitra. Ny alahady 7 desambra izao, manomboka amin’ ny 10 ora maraina. «Hiragasy goavam-be» hikatrohan-dRanoelison Ampahimanga sy Rakotomalala René, hotanterahina eo amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha. Nambaran’i Dadafara fa : «tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io fotoana […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny harembakoka mahakasika ny sarimihetsika sy ny haino vaky jery. Nisy ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, niampy valandresaka mahakasika ny fikajiana ireo harembakoka ireo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra matihanina toa an-dry Vero Rabakoliarifetra, Laza, anatole Ramaroson, Lova Randriambololonirina, izay samy […]
Bôndy Green Army : Mpilatsaka an-tsitrapo manao fambolen-kazo
Nanangana ny fikambanan’ny mpilatsaka an-tsitrapo, Bôndy Green Army (BGA), ny orinasa Bôndy, entina hanatanterahana ny asa fambolen-kazony. Mandray anjara amin’ ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo (JIV) izy ireo, anio 5 desambra 2025, hatao etsy amin’ny efitrano malalaka Havoria Anosy. Handray anjara feno amin’ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra, […]
VAOVAO TAMBATRA
Anisan’ireo firenena ambany toerana indrindra aty Afrika i Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ny Global Attractiveness Index 2025 (GAI). Na izany, “manana loharanon-karena samihafa azo hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny”, hoy ny Vondrona eoropeanina. Ilaina, araka izany, ny fananana politika mazava sy fanapahan-kevitra mirindra ho an’ny tombontsoa iombonana sy ny fampiroboroboana […]
Kaompania Ewa Air : Hisy sidina mivantana Madagasikara-Mayotte
Mitondra fanazavana sady fanitsiana ny kaompania Ewa Air, manoloana ny vaovao niely tany amin’ny fampahalalam-baovao an-gazety sasany teto Madagasikara. Notsipihiny fa hisokatra manomboka amin’ny sabotsy 13 desambra 2025 ho avy izao ny sidina mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Mayotte. Hisy indroa isan-kerinandro ity zotra ity, ary manan-kery ao anatin’ny fotoana […]






