Antoka ho an’ny hoavy mamiratra eto Madagasikara ny fahafahan’ny tanora mandray andraikitra sy mahafantatra ny tontolo manodidina azy. Ilaina ny hevitr’izy ireo mba hamolavola politikam-pampandrosoana sy hanova ny zava-misy. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana », andiany fahadimy, teny amin’ny Oniversite katolika (UCM), Ambatoroka. Hetsika izay nokarakarain’ ny […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Efa manomboka mahazo volontany ao amin’ ny klioban’ny AL Merriekh SC, ny Malagasy mpilalao, i Nicolas sy i Fenohasina. Tompon-toerana izy mirahalahy nandritra ny lalao nihaonan’ity klioba ity tamin’ny Rutsiro. Nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipandry Feno sy Nicolas, tamin’izany, ary mitombo hatrany ny fahatokisan’ny mpanazatra azy […]
Baolina kitra –D2 Nasionaly : Fantatra ireo klioba tafiditra “Poule des As”
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo, ny andro faran’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des As”, ho an’ny diviziona faharoa nasionaly. Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo ekipa mifanintsana eny Ambohidratrimo. Tafita amin’izany ny TGBC Atsinanana sy ny Clinique Zanatany Sofia. Ankoatra azy roa […]
“Can 2025” : Anisan’ireo hitsara lalao i Dimby
Namoaka ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), ny Kaonfederasionina afrikanina, ny 1 desambra lasa teo. Fihaonana hotanterahina any Maroc, ny 21 desambra 2025 – 18 janoary 2026, izao. Manana solontena amin’ izany ny Malagasy, amin’ny alalan’Andriatianarivelo Dimbiniaina. Tsy […]
“Cours des dirigeants sportifs”: Mpiofana 24 nahazo mari-pankasitrahana
Tontosa nandritra ny 3 andro, nanomboka ny 1, nitohy hatramin’ny 3 desambra lasa teo, teny Ivandry, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena na “Cours des dirigeants sportifs “, andiany faha-21. Mpiofana 24 no nahavita izany ka nandray ny mari-pankasitrahana, ny alarobia 3 desambra teo. Zava-dehibe ny fahafantarana ny lalàna […]






