Mampahafantatra, manatsikafona, manasongadina ny horonantsary fanadihadiana. Ny fisokafana amin’izao tontolo izao indrindra no tanjon’ny hetsika « Festival An’Tsary Doc Mada 2025 ». Hetsika ho an’ny horonantsary fanadihadiana. Nahitam-pahombiazana ireo andiany teo aloha, ka hotohizana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Saika ho natao tamin’ny volana septambra teo izy ity, saingy voatery nahemotra, ka […]
Other News
Kolontsaina sy soatoavina: Nanjary tsy nifanaja ny Malagasy
Firenena nandalo ny vanim-potoan’ny fanjanahantany i Madagasikara. Nitondra fiovana maro teto izany, satria, tsy nitazam-potsiny ny Frantsay fa niezaka namafy ireo hevi-diso sy fomba fiady hamotehina ny fiarahamonina. Ny fantatra sy nalaza: “zarazarao hanjakana”. “Raha hanjanaka firenena iray, ianaro ny teniny, fantaro ny fombany sy ny tantarany, fa ho babontsika […]
Rugby – Randriamalala Jean Yves : « Fanamby hapetrakay ny hitondra medaly mody »
Hotanterahina any Dubai, ny 17-18 sy ny 24-25 janoary 2026, ny dingana roa voalohany amin’ny fifanintsanana “World Rugby Challenger Series”, ho an’olona 7, sokajy lehilahy. Ity fifaninanana ity izay dingana iray mankany amin’ny sehatra avo indrindra maneran-tany. Nambaran-dRandriamalala Jean Yves (Sprinter), fa hiezaka mafy izy ireo ny hampiakatra avo ny […]
Lozam-pifamoivoizana : Lehilahy iray voadonan’ny 4×4
Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana raim-pianakaviana iray teo am-panaovana ny asany, tao amin’ny toerana fanaovany “soudure”, tao amin’ny fokontany Morafeno, Toamasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora. Voatrongin’ilay fiara ny garazy sy vavahady ary voatsindry tao ny moto iray teo amin’ny sisin-dalana. Raha ny angom-baovao, hanatitra mpianatra mihitsy ity […]
Fanefana trosa : Miantso fifampiresahana amin’ny Cnaps ny SMGD
Nitondrana fanazavana, taorian’ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Cnaps, ny eo anivon’ny SMGD. Voaresaka ny momba ilay trosa mitentina 11 miliara Ar. «Tsy mitsoaka velively amin’ny famerenana ny trosa ananan’ny Cnaps aminay izahay. Mangataka kosa anefa ny fifampiresahana ho famahana ny olana », hoy ny tale jeneralin’ ny SMGD, Andriamananiony Thierry. Nohamafisiny fa tsy […]







