Nitondrana fanazavana, taorian’ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Cnaps, ny eo anivon’ny SMGD. Voaresaka ny momba ilay trosa mitentina 11 miliara Ar.
«Tsy mitsoaka velively amin’ny famerenana ny trosa ananan’ny Cnaps aminay izahay. Mangataka kosa anefa ny fifampiresahana ho famahana ny olana », hoy ny tale jeneralin’ ny SMGD, Andriamananiony Thierry. Nohamafisiny fa tsy misy fiantraikany amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina (CUA) sy ny karaman’ny mpiasa anefa izany. Mahaleo tena tanteraka ny SMGD amin’ny famerenana ny trosan’ny Cnaps, araka ny nambaran’izy ireo.
Notsiahiviny fa anisan’ny antony tsy nahafahan’ny SMGD nandoa ny volan’ny Cnaps ny fanapahan-kevitry ny kaominina nandray mivantana ny haban-tsena ka nampihena ny vola niditra. Nanao dingana nandefa taratasy tany amin’ny Cnaps izy ireo ho fampihenana ny vola aloa isam-bolana sy ny fanalavam-potoana. « Tsy nahazoanay valiny izany », hoy izy.
Nilatsaka ny fampitandremana
Nilatsaka ny fampitandremana ny 21 oktobra teo ny handoavana manontolo ny vola avy hatrany raha tokony ho amin’ny taona 2027 ny fetra farany, araka ny fifanarahana. Tonga teny amin’ny fitsarana ara-barotra ny raharaha, ny 22 oktobra. Efa any izao ny tohiny, nanomboka ny 31 oktobra teo. Tsy ady maika ny raharaha ka tsy mivoaka ao anatin’ny iray volana ny didim-pitsarana. « Vonona ny handoa ny vola anaty fahitsiana izahay ary voaporofo an-taratasy fa tsy mandà ny trosa ary hiaro hatramin’ny farany ny zon’ny SMGD izahay», hoy izy ireo.
Tsiahivina fa nindrana vola 11 miliara Ar tany amin’ny Cnaps ny SMGD ny taona 2021. 60 volana ny hamerenana izany. Voaloa ny ampahany 5 miliara Ar mahery hatramin’ny marsa 2024. Mbola misy 7 miliara eo ho eo izany ny ambiny, tsy voaloa.
Synèse R.




