Other News

Tsy maty manota

  Fomba fiteny iray nireharehan’izay mpitondra fanjakana nifanesisesy teto ny hoe “tsy maty manota”. Nizahozaho araka izay tratrany ny manampahefana. Nanao tsindrio fa lavo izay manana herijika afaka nanao izany. Tena nosemporina araka izay zakan’ny ain’ireo mpanao tsindrio fa lavo ny Malagasy tsivakivolo. Nanampatra ny mahabiby fanahy azy ny taranak’i […]

Mpitandro filaminana mihoa-pefy : « Handraisana fepetra », hoy ny Praiminisitra

Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Za­fisambo Ruphin, omaly. No­hamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy. “Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisam­bo Ruphin […]

Fifanintsanana Mondial : Efa any Mali ny Barean’i Madagasikara

« Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na­nainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, maratra tsy afaka hiakatra eny ambony kianja indray i Paul Pogba, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AS Monaco. Tsiahivina fa taorian’ny sazy nahazo azy, mbola tsy niakatra an-kianja mihitsy ny tenany, ary tsy mbola niatrika lalao ofisialy. Tafita hiatrika ny “Mondial 2026”, any Mexique […]

Taranja mekanika : Foana ny fifaninanana

Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, man­dalo fotoan-tsarotra koa ny taranja mekanika. Araka izany, nanambara tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ny Fede­rasionina malagasin’ny sport automobile (FSam) sy ireo klioba mpikarakara fa tsy misy ny fifaninanana ho an’ity volana oktobra ity. Efa nofoanana ny “Grand Prix karting”, tokony ho natao ny 5 […]