Nidina teny Analakely ny lehiben’ny Governemanta Zafisambo Ruphin, omaly. Nohamafisiny fa maika ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mpitandro filaminana mihoa-pefy.
“Governemanta fisokafana no hajoro. Mbola misy ny fifampidinihana miaraka amin’ny FFKM. Ny maika dia ny famerenana ny filaminam-bahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, nidina teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Hita ireo fanendrena minisitra tamin’ny ampahany tamin’ny 7 oktobra lasa teo. Mbola handeha koa ny fanendrena minisitra manaraka. Faniriany ny tonga dia ho feno ny mpikamban’ny governemanta amin’ny fotoana tsy ho ela. Efa mifampidinika ny amin’izany izy sy ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy dinihina ny fihaonambem-pirenena hiarahana amin’ny FFKM, izay vao mety hoe hitsangana ny governemanta.
Na izany aza, manohy ny asany isan’andro ny govenemanta teo aloha. Satria tsy afa-miato ny fiainam-pirenena. Nambaran’ny lehiben’ny governemanta hatrany fa tena latsaka an-katerena i Madagasikara, indrindra ny lafiny toekarena. Hitarika fahasahirana ho an’izay tonga eo amin’ny fitondrana, na ry zareo aza izany. Enim-bolana rahateo ny fe-potoam-piasana nomena azy. “Raha tony ary mametraka fitokisana amin’ny tenanay sy amin’ny governemanta hitsangana eo isika, hisy zavatra hivaingana”, hoy izy. Vao vita ny famindram-pitantanana, nisy ny fitsidihana ny zavatra anisan’ny fitakiana.
Nanome toromarika sy fankaherezana an’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana izy. Tokony hotanterahina amin’ny ara-dalàna sy amin’ny fomba matihanina ny asa. Hisy ny fepetra horaisina ho an’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy amin’ny fanatanterahana asa. Misy ny mpitandro filaminana manao herisetra. Misy ny fepetra tsy maintsy arahin’ny mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahana ny asany, araka ny lalàna ho famerenana ny fandriampahalemana.
R. Nd




