« Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nanainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy io. Lalao tafiditra amin’ny andro fahafolo sady farany, fifanintsanana “Mondial 2026” ity hatrehin’izy ireo ity. Hatreto, mbola eo amin’ny laharana faharoa, ao amin’ny vondrona « I » no misy ny Barean’i Madagasikara. Azo lazaina ho efa tsara toerana amin’ny laharana faharoa tsara indrindra aty afrika ny ekipa nasionaly malagasy, ary tsy manana fanantenana ny hahazo tapakila amin’ny « Mondial » intsony i Mali sy i Comores. Efa manana tombony lavitra ny hiatrika izany kosa ny Black Star Ghana, laharana voalohany, manana isa 22, ary nahatafiditra baolina 16.
Tsara ny mampahatsiahy fa raha mandresy 8 no ho 0 an’i Mali ny Barea, ka resin’i Comores 3 no ho 0, i Ghana, izay vao tafita any amin’ny “Mondial” ny Malagasy. Raha ny fikarohana natao, i Gabon no mitana ny laharana voalohany amin’ireo ekipa faharoa tsara indrindra eto Afrika. Manaraka azy ao ny Barea.
Fitia Randria




