TARATRY ny KANTO

« Hiara-hihira ». Tafahaona any France i Manoa, Ralisimanitra, Niry ary Rolly. Mpinamana efa ela tao anaty mozika izy ireo, fantatra tany anatin’ny fampandihizana sy ny fanafanana lanonana isan-karazany. Hiaraka an-tsehatra indray ny 8 novambra izao, satria mandalo any France koa i Rolly amin’izao fotoana. Mandrafitra ny tarika Gasy Band izy, ary mpitendry sy mpihiran’ny tarika Tsiakoraka ihany koa, ankoatra ireo orikesitra maro efa nisy azy. I Manoa sy i Niry kosa efa milaravinahitra any an-toerana, miaraka amin’ireo mpitendry toa an’i Taxx, Yaxx ary i Cedy.
Misongadina ao amin’ilay lalao « Secret Story » i Gracy. Saika nahitana Malagasy mandray anjara hatrany ireo lalao amin’ny fahitalavitra malaza any Europe any. Anisan’ireo misongadina ao anatin’ny « Secret Story » andiany faharoa, izay mandeha ao amin’ny Canal+ Afrique, indray i Gracy, tovovavy malagasy mpihira. Maromaro ireo toa azy avy amin’ireo firenena afrikanina miteny frantsay, izay mifaninana ao. Tsy resaka hira indray anefa ity, fa fihazonana sy fikarohana ny tsiambaratelo eo amin’ireo samy mpiray trano.
Hahemotra ny « Feel The Fire », saika hataon’ny Voice of God ny zoma 17 oktobra izao. Izay no tapaka satria tsy mbola fantatra, hatreto, hoe rahoviana no ho tapitra ny tsy fahafaha-mivoaka amin’ny alina. Afon-dasy iainana mozika gospel, arahina fifampizarana no nokasaina hatao, izay tsy maintsy amin’ny alina mazava loatra. Mampanantena kosa ny Vog fa tsy maintsy hotontosaina ity fotoana anjakan’ny fifampizarana ny mamy ity, aoriana ary ao amin’ny Sky Garden Betongolo hatrany.

Partager sur: