Mikatona ny fotoam-panjonoana any Atsimo Atsinanana, manomboka ny 15 oktobra ho avy izao hatramin’ny 15 novambra 2025. Voarara tanteraka, mandritra io fe-potoana io, ny fanjonoana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fanondranana any ivelany ao amin’ny Faritra. Omena fe-potoana hatramin’ny 14 oktobra ny mpanangom-bokatra, ny orinasa, ny mpivarotra hazandrano, hanambara ny […]
Other News
Moustapha Abdulah Marson: Tombanana ho 187 miliara Ariary ny fatiantoka
Manoloana ny zava-misy ankehitriny, naneho ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera i Moustapha Marson Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, omaly. Araka ny nambarany, tombanana ho 187 miliara Ariary ny fatiantoka hita amin’ity krizy mandalo eto amin’ny firenena ity. Araka ny nambarany, fahavoazana lehibe ho an’ny toekarena malagasy […]
china mall: Manodidina ny 200 miliara Ar ny faharavana
Anisan’ny noraisin’ny filoha Rajoelina, ny sabotsy 4 oktobra teo, ny vondrona mpandraharaha sy ny solontenan’ny sehatra tsy miankina rava fananana, ny 25 septambra. Niarahana nikaroka ny vahaolana hanarenana ny simba, indrindra ny toekarena malagasy amin’ny ankapobeny. Nohamafisin’ny filoham-pirenena ny fahavononany hiara-kiasa sy hanampy ireo mpandraharaha niharan’ny fandrobana. Noresahina koa ny […]
Toby Ambohimanambola: Taterina ireo milina mpihary herinaratra avy any Toamasina
Mandeha ny fitaterana ireo milina mamokatra herinaratra ho an’ny toby vaovao eny Ambohimanambola. Haharitra fotoana maro ny fandaminana hitaterana azy ireo. Hanomboka anio ny fitaterana manokana, miainga avy any Toamasina, mankaty Antananarivo, ny milina mpamokatra herinaratra hapetraka eny Ambohimanambola, ao anatin’ny tetikasa 105 MW. Haharitra telo andro ny fitaterana amin’ity […]
Mpaninjara solika: Nihena hatrany amin’ny 80% ny mpanjifa
Miantraika mivantana any amin’ny fanjifana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Voalohany amin’izany ny varotra solika, na dia latsaka ambany aza ny vidiny. Vitsy ny mpividy solika, satria mihena ny fivezivezena amin’izao toe-draharaha misy eto amintsika izao. Ho an’ny toby mpaninjara solika etsy Antanimena, notsorin’ny mpitantana, fa midina hatrany amin’ny […]







