Other News

« Scène slam » : Omena lanja ny famoronana

Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana en­drika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotante­rahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao ana­tin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manom­boka amin’ny 10 ora […]

“Festival des pirates”: Ny kolontsaina ho fanoitra ho an’ny fizahantany

Raha vao miresaka jiolahin-tsambo, fahiny, dia miresaka ny Nosy Sainte Marie izay. Tena nitoerany sy nivezivezen’izy ireo ity nosikely aty Madagasikara ity. Maro ny fikarohana ara-tantara manaporofo izany, manampy ireo ny vakoka hita maso an-tanety, sy ireo harembakoka any amin’ny farany lalina an-dranomasina. Manintona mpizahatany izy ireny, ka nampitsiry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nandefa taratasy eny amin’ny HCC ireo minisitra teo aloha isany, Sahondrarimalala Marie Michelle sy Razafinjato Aurélie mba hiverenan’izy ireo ho depiote indray. Voafidy tao Fianarantsoa sy Vohibato izy ireo fa voatendry minisitra tamin’ny fitondrana Ra­joelina. Niakatra ho depiote ireo mpisolo toerana. Hi­ve­rina eny Tsimbazaza izany izy roa vavy. Hisokatra sy […]

Raharaham-pirenena : Mijoro hiaro ny tolona sy hanara-maso ny asa ny KMT

“Najoro ny Komity miaro ny tolona (KMT) mba hiaro ny tolona natao”, hoy ny fanambaran’izy ireo, notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rako­to­mavo Lanto, teny Maha­masina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mba hanarenana sy hamerenana an’i Madagasikara sy ny Malagasy eo amin’ny toerana tena sahaza azy no antony itsanganany. Hitondrana koa ny fanavaozana eo […]

Hatrany ifotony…

  Lasa misy fikorontanana anaty tsy fidiny ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany sasany amin’izao. Misy ny fanararaotana? Na nipoaka ho azy izay niotrika ela… Tsy inona fa ny hetsika ataon’ny mponina na ny ampa­han’ny mponina: mitaky ny fanalana ny ben’ny Tanàna na ny lehibem-pokontany, tsy mamela ny famohana […]